Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-19
9 Nisy vaovao ren'ny mpanjakan'i Asiria ny amin'i Taraka, mpanjakan'i Etiopia, dia nolazaina taminy fa hoe: Indro niainga hiady aminao izy. Ary nandefa iraka ho any amin'i Ezekiasa indray izy nanao hoe: 10 Izao no lazaonareo amin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà: Aza mety harebirebin'ny Andriamanitrao izay itokianao hianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria Jerosalema. 11 Indro efa renao ihany ny nataon'ireo mpanjakan'i Asiria tamin'ny tany rehetra, tamin'ny nanaovany anatema azy ka hianao indray ve no ho voavonjy? 14 Nony voarain'i Ezekiasa ny taratasy teny an-tanan'ireo iraka dia novakiny. Rahefa izany niakatra nankao an-tranon'ny Tompo Ezekiasa ka namelatra io teo anatrehan'ny Tompo.15 Nivavaka teo anatrehan'ny Tompo Ezekiasa nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, izay mipetraka amin'ny Kerobima, hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Iaveh ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin'i Senakeriba izay naniraka haniratsira an'Andriamanitra velona. 17 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan'i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny, 18 ary nanipy ny andriamaniny tao amin'ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan'olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona. 19 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tanan'i Senakeriba izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa hianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra. 20 Dia naniraka tany amin'i Ezekiasa Izaia zanak'i Amosa hilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin'i Senakeriba mpanjakan'i Asiria.
21 Ka izao no teny notononin'ny Tompo namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virijiny zanakavavin'i Siona: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanakavavin'i Jerosalema. 31 Fa hisy sisa hivoaka avy amin'i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin'ny tendrombohitr'i Siona. Ka izany no ho vitan'ny zotom-pitian'ny Tompon'ny tafika. 32 Koa noho izany dia izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanana ity izy, na handefa zana-tsipìka aminy, na hanandratra ampinga tandrify azy, na hanorina fiarovana hamelezana azy;
33 fa hiverina amin'ny lalana nihaviany, ka tsy ho tafiditra amin'ity tanana ity izy, - teny marin'ny Tompo.
34 Hiaro ity tanana ity aho, hamonjeko azy. Noho ny amin'ny tenako, sy noho ny amin'i Davida mpanompoko.
35 Ny alin'izay ihany, dia nivoaka ilay anjelin'ny Tompo namono lehilahy dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin'ny tobin'ny Asiriana, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.
36 Dia noravan'i Senakeriba mpanjakan'i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.
